- Publicité -
mardi, septembre 1, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHalatra zaza varira tany Ambilobe : Tafakatra enina ireo voasambotra

Halatra zaza varira tany Ambilobe : Tafakatra enina ireo voasambotra

Tsy nijanona teo amin’ny fahitàna ilay zazakely “varira” (albinos), izay very tany Ambilobe ary hita tany Toliara ny fanadihadiana nataon’ireo zandarimariam-pirenena fa mbola nitohy hatrany tamin’ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Raha ny fanazavana azo, dia efa tafakatra enina izy ireo, izay fantatra fa niray tsikombakomba tamin’ny fangalana an-keriny ity zaza varira ity. Raha tsiahivina ny tranga dia efa very amam-bolana ilay zaza, raha nalain’ireo olon-dratsy an-keriny tao an-tranony tao Ambilobe. Nentin’ireo olon-dratsy nivezivezy hatrany izany zaza izany, ka tany Toliara vao tratra, andro vitsy lasa izay. Olona telo no voasambotra tamin’io fotoana io nitondra ity zaza ity. Voatery nidina tany an-toerana mihitsy moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana, ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ambilobe naka ity zaza ity sy ireo olona voarohirohy tamin’izany, ho amin’ny famotorana. Ny alahady teo izy ireo no fantatra fa tonga tao Ambilobe. Efa tonga soa aman-tsara eny anivon’ny ankohonany araka izany ity zaza varira ity, salama tsara. Fa tamin’ny famotorana ireto olona voasambotra tany Toliara ireto, raha ny fampitam-baovao azo dia fantatra fa nisy olona telo hafa notondroin’izy ireo ho mpiray tsikombakomba taminy, tao Ambilobe. Efa nosamborina ihany koa ireto farany ary efa miatrika ny famotorana azy. Marihana fa noho ny tahotry ny mety ho fikorontanana misy, avy amin’ireo fokonolona, noho ity raharaha ity, dia efa nafindra toerana ireto olona voarohirohy tamin’ny halatra zaza varira ireto.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici