- Publicité SW45 -
lundi, octobre 7, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHalatr’omby tetsy Ambatomanga : Ny henany sisa no tra-tehaky ny zandary

Halatr’omby tetsy Ambatomanga : Ny henany sisa no tra-tehaky ny zandary

« Nanantena hihinan-kena be [ilay mpangalatra] kanjo hatahorana hikepoka gagazo [ho any am-ponja]…» hoy ny filazan’ny zandary. Omaly, lehilahy iray no sarona nitondra entana nampiahiahy tao anaty fiara fitanteram-bahoaka ary voasambotry ny zandary avy etsy amin’ny zana-tobim-paritra Masindray. Henabe roa gony, nilanja teo amin’ny 90 kilao teo ho eo no nentin-dranamana, izay tsy voazavany mazava ny loharano niaviny. Nogiazana avy hatrany izany hena izany ary nentina natao fanadihadiana ity lehilahy ity. Tao anatin’izay, hoy fampitam-baovao avy amin’ny zandary no nahafantarana hena avy tamina omby halatra tany ho any ity nentin-dranamana ity.

Talohan’io mantsy dia nitrangana halatr’omby tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Ankadimbazimba, kaominina Alarobia Ambatomanga. Ombin-tsarety iray no very tao an-toerana tamin’izay fotoana izay. Rehefa natao ny fanarahan-dia sy ny tariny dia hita tsy lavitra ny toerana nahaverezany ny fatin’izany omby izany. Nalain’ireo nahavanon-doza ny hena ary navelan’izy ireo teo ny ny lohany, ny taolany, ny taovany ary ny tongony. Soa ihany,  taorian’ny zava-nitranga no nisy nampandre ny zandary fa nentin’ireo mpangalatra tamin’ny taxibrousse io hena halatra io, ary io voapaingotra teo Masindray io, ingahirainy. Ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka moa ny zandary amin’izao. Heverina mantsy fa tsy maintsy ho nisy namany mpiray tsikombakomba ity lehilahy voasambotra ity.

m.L

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici