Nivoaka ny antontanisa avy amin’ny polisim-pirenena. Manodidina ny 40 ny olona maty vokatry ny hamamoana eo amin’ny familiana. Izany dia nanomboka tamin’ny fiandohan’ity taona ity. Voakasika ny familiana fiara ary indrindra koa ny fanamoriana kodiaran-droa. Ireto farany no tena betsaka niteraka fahafatesana, raha araka ny tatitra hatrany. Handray fepetra hentitra ny eo anivon’ny ministeran’ny filaminam-bahoaka ary isan’izany ny famerenana ny polisy misahana ny fifamoivoizana na ny « police de la route » satria isan’ny tsikaritr’izy ireo ny fisian’ny gaboraraka tao anatin’ny fotoana nampiatoana an’izany. Mena tanteraka ny tondro raha momba ny lozam-pifamoivoizana ary mifandraika amin’ny fiarovana ny ain’olona indrindra no anton’ny famerenana ny fepetra. Samy nahatsapa ny olona, indrindra eto an-drenivohitra fa mamono be loatra ny kodiaran-droa. Betsaka ny very havana ary maro koa ny nitondra takaitra. Nifampisintona lakolosy teo saingy tsy hita izay tena vahaolana raisina maika satria ny fotodrafitrasa no tena sakana. Na izany aza anefa dia hita koa ny lesoka eo amin’ny familiana ary gaboraraka loatra angamba ny fanomezana fahafahana mamory. Mitera-doza hatrany izany rehetra izany rehefa mitambatra. Mila hiverenana dinihina ny ambaratonga samihafa ary minisitera maro no tokony ho voakasika.
D.R




