
Omaly no nanao ny famerenana farany ny fanomanana ny matso lehibe hatao eo Mahamasina ireo vondron-kery rehetra hanatanteraka izany. Nanatrika izany ireo Minisitra misahana ny Hery Fiarovana sy Filaminana. Taorian’izay no nanambaran’izy ireo fa efa misy ny lamina sy fepetra manokana noraisina hahafahan’ny malagasy mifety am-pilaminana. Noho izany, nanentana ny olom-pirenena rehetra izy ireo mba hanaraka ny fandaminana. Hiantoka ny fitandroana ny filaminana manerana ny Nosy ireo vondron-kery ao amin’ny EMMO mba hizotra am-pilaminana ny fankalazana ny fetim-pirenena. Nanome baiko ireo vondron-kery ao amin’ny EMMO izy ireo mba handray ny fepetra manoloana ireo izay mety hanakorontana mandritra ny fety. Nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety moa ireto tompon’andraikitra ireto izay nahitana ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Sahivelo Monja Lala Delphin, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Rakotoarimanana Herilala, ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimaria, ny Jeneraly Rakotondrazaka Andriatsarafara Andriamitovy.
T.M.