Raha ny tokony ho izy dia nifarana ny talata 14 avril 2026 ny fanarenana ho 100% ny herinaratra eto Toamasina renivohitra, araka ny tetiandro nampetraka farany teo. Indroa nihemotra mantsy ny daty famaranana ny asa, dia ny faran’ny volana marsa ny voalohany izay niandry ireo mpiara-miasa avy amin’ny banky iraisam-pirenena, ary ity datin’ny 14 avril ity ny faharoa taorian’ny fahatongavan’ireo mpiara-miasa amin’ny Jirama Toamasina miisa 09 nifanaraka tamin’ny banky iraisam-pirenena. Tsy tratra io datin’ny 14 avrily 2026 io satria mbola manodidina ny 83% ny fanarenana ny herinaratra no mbola vita hatreto, izany hoe mbola misy mpanjifa 17% izany mbola miandry eto Toamasina. Niezaka nanazava ny anton’ny fahatarana ny komity fanarenana an’i Toamasina ; ka nambaran’izy ireo nandritra izany fa ny fahataran’ny fanoloana ireo andrinjiro eny amin’ny elakelan-trano izay sarotra tokoa ny antony, izay simba avokoa izy ireo ka tsy maintsy soloina, satria simba amin’ny 80% ny tanàna ary simba manodidina 90% ny fotodrafitrasan’ny jirama taorian’ny rivodoza farany teo iny. Na eo izany dia manao ny ezaka rehetra ireo orinasa miisa 09 miara-miasa amin’ny fanjakana sy ny jirama miampy ny mpiasan’ny jirama manao ny asa, ary hivoaka tsy ho ela ny tetiandro manaraka famaranana sy famenoana azy ho 100%. Ankoatra izany dia mitokona avokoa ireo fokontany sy faritra eto Toamasina renivohitra mbola tsy nahazo izany herinaratra izany. Isan’izany ny tao amin’ny cite Valpinson, ny tao Andranomadio sy ireo fokontany hafa. Raikitra ny fandorana kodiarana eny amin’ny lalana mandritra izany, ho fampisehoana ny tsy fahafaliany. Samy miandry ilay daty manaraka nambara hivoaka tsy ho ela ny rehetra tsy mbola nahazo herinaratra, ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha.
Malala Didier




