Mitohy tsy an-kijanona ny hetsika manokana entina miady amin’ny tsy fandriampahalemana, ataon’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena, raha ny eto an-drenivohitra. Hetsika izay fantatra amin’ny anarana hoe « coup de poing ». Tamin’iny faran’ny herinandro iny dia mpidoroka roa sy mpangalatra iray indray no voasambotra, tetsy Andohavato Atsimondrano sy teny amin’iny faritra Behenjy Itaosy iny. « Tratran’ny pôlisy ambody omby mihitsy ity jiolahy ity Ary teo am-panaovana ny asa ratsiny. Tra-tehaka teny aminy ireo fitaovana fampiasany rehefa manantanteraka ny asa ratsiny » hoy ny vaovao azo. Tetsy Andohavato Atsimondrano indray kosa dia mpifoka rongony, tratra teo am-pisintomana mihitsy no voasambotra. Roa lahy izy ireo, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. « Rehefa nosavaina teny amin’izy ireo dia mbola nahatratrarana rongony nivalona tao anaty taratasy. Noentina avy hatrany eny amin’ny biraon’ny Polisy izy ireo hanaovana fanadihadiana ».
nangonin’i m.L




