- Publicité -
mercredi, septembre 9, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHetsika « coup de poing week-end » : Mpandrongony dimy, mpanendaka telo...

Hetsika « coup de poing week-end » : Mpandrongony dimy, mpanendaka telo ary mpiloka dimy voasambotra

Mitohy hatrany ny hetsika « coup de poing » ataon’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena ary handraisan’ireo kaomisaria rehetra eto an-drenivohitra anjara. Tamin’iny faran’ny herinandro iny, araka ny fampitam-baovao azonay dia maromaro ihany ireo tontakely no voasambotra teto an-drenivohitra. Azo lazaina ho saika niompana tany ny fisorohana mialoha izany fisamborana izany, satria iaraha-mahalala tokoa fa ny fandraisana zava-mahadomelina sy ireny karazan-doka atao eny an-tsisin-dalana ireny dia anisan’ny mitarika any amin’ny tsy fandriam-pahalemana foana matetika. Saika mpandrongony, mpihinana sy mpivarotra, no voasambotra, teny amin’iny faritra Ankadifotsy mihazo an’Ankadifotsy iny, ny tetsy 67 avaratra atsinanana, ary ny teny Androndra. Nisy dimy izy ireo no tratra ny sabotsy sy alahady lasa teo. Mpiloka an-dalambe dimy kosa no voasambotry ny  polisy avy etsy Ambohijatovo, tamin’iny faran’ny herinandro iny hatrany. Marihina fa tena voararan’ny lalàna tokoa izany zavatra izany. Ankoatra izay, eo amin’ny resaka fanendahana sy halatra dia mbola misy hatrany ireo manao ny ataony, na dia eo aza ny fisian’ireo pôlisy, manao fanamiana na manao fanamiana sivily misafo tsy tapaka, na andro na alina eny amin’ireto faritra isan-karazany ireny. Mpamerin-keloka ikoizana roa lahy tokoa mantsy voasambotry ny pôlisy tetsy Analakely, izay voalaza fa efa nampitondra faisana sy manao ho tokotany filalaovan’izy ireo ny eny amin’ny manodidina ny Esplanade, Pavillon, ary Petite Vitesse iny. Toraka izay ihany koa, mpangalatra iray, izay mody milaza ho mpanangona sy mpanary fako no tra-tehaky ny pôlisy etsy Antaninandro, teny amin’iny faritra Ambaranjana iny. Notanana natao andrimaso avokoa moa ireto olona tratra ireto ary atolotra ny Fampanoavana aorian’ny fakàna am-bavany azy ireo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici