- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversHetsika « Fahalemana » : Tonga omaly teto an-drenivohitra ny vatana mangatsiakan’i...

Hetsika « Fahalemana » : Tonga omaly teto an-drenivohitra ny vatana mangatsiakan’i Kp Rafalihery

Nigadona omaly maraina teto an-drenivohitra ny vatana mangatsiakan’ilay zandary, Kômandin’ny kômpania ao Betroka, ny Kapiteny Rafalihery. Avy hatrany dia navantana tetsy amin’ny Toby Jeneraly Ramarolahy Philibert, tetsy Betongolo, ny razana, ary nandrasana teny omaly. Nanome voninahitra ity mahery lavo an-tanim-piadiana ity tamin’ny fahatongavany, ireo manamboninahitra notarihin’ny Sekreteram-panjakana miahy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Paza Didier. Omaly hariva kosa no tonga nitondra ny fampiononany ho an’ny fianakaviana sy ny fianakaviamben’ny zandary ireo solontenan’ny mpikambana sasantsany eo anivon’ny governemanta, notarihin’ny Praiministra Jly Ravelonarivo. Tsiahivina fa baiko avy amin’ny Fanjakana ny hanaovana ny hetsika « Fahalemana », ho famongorana ny asan-dahalo any amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny. Nandritra ny fifandonana tamin’ireto malaso ireto ny faran’ny herinandro teo no nahalavo ity Kômandin’ny kômpania tao Betroka ity. 36 taona ny Kapiteny Rafalihery izao lavo ho an’ny Tanindrazana izao, ary namela kamboty vavikely iray. Ary nanomboka ny taona 2013 izy no nitana ny andraikitra maha-kômadin’ny kômpania azy. Fantatra raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena fa anio no ho tonga haneho ny fiaraha-miory ny Filohan’ny Repoblika.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici