- Publicité -
jeudi, octobre 29, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHetsika fisavàna môtô : 368 amin’ireo 370 nosavaina, tsy nanara-dalàna avokoa

Hetsika fisavàna môtô : 368 amin’ireo 370 nosavaina, tsy nanara-dalàna avokoa

Fanaovana taingim-be, tsy fanaovana aroloha, fitondràna tsy misy « permis » ary fitondrana ao anaty hamamoana … Mampivarahontsana ny antontanisa navoakan’ny pôlisy mahakasika ny hetsika fisavàna kodiaran-droa nataon’izy ireo. Tamin’io môtô miisa 370 nosavaina nandritry ny alin’ny talata 27 oktobra lasa teo, teto Antananarivo Renivohitra dia ny roa tamin’izy ireo ihany no nanara-dalàna. Iretsy fandikan-dalàna etsy ambony ireny no voalaza fa nataon’izy ireo ary ny tsy fanaovana aroloha no tena betsaka tamin’izany satria dia nahatratra teo amin’ny 256 teo. Ny 50 tamin’ireo, nitondra môtô tsy nisy fahazoan-dalana, ny 52 nanao taingim-be ary ny 10, hita fa mamo. Na izany aza anefa, hoy ny fampitam-baovaon’ny pôlisy dia 101 tamin’ireo ihany no nosaziana fa ireo sisa kosa nomena fampitandremana. « Efa noraisina ny mombamomba ireo ambiny ka miroso amin’ny fanasaziana raha mbola misy famerenana »  hoy ny vaovao. Ity hetsika ity moa dia tafiditra ao anatin’ny ezaka fanatsaràna ny filaminam-bahoaka sy ny fiarovana ny mpampiasa lalana ary indrindra ho fisorohana ny loza. Hetsika izay mbola hitohy hatrany, hoy hatrany ny fanazavana. Manentana hatrany ireo mpampiasa lalàna araka izany ny tomponandraikitra mba hanaja hatrany ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici