- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversHetsika « Mandio » : « Kalach » roa indray saron’ny zandary

Hetsika « Mandio » : « Kalach » roa indray saron’ny zandary

Tsy mijanona fotsiny amin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy, na ilay tena manao na ilay mpibaiko eny ambony latabatra fotsiny no antom-pisian’ilay hetsika manokana ataon’ny zandary amin’izao, fa natao hiady mihitsy amin’ny tsy fandriampahalemana na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny inona. Ao anatin’izay ohatra ny mahakasika ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana. Tamin’iny faran’ny herinandro iny ary dia fantatra, araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’izy ireo, fa basy mahery vaika « kalach » roa no saron’izy ireo tany Amoron’i Mania sy tany amin’iny faritra Vakinankaratra iny.

Ny alatsinainy teo dia nahazo vaovao ireo zandary, fa misy olona mitazona basy mahery vaika ao Ambatomitsangana, ao amin’ny fokontany Manavotra, kaominina Amborompotsy. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo mpanao fisafoana ka efa tsy tratra intsony tao an-tranony ilay olona voatondro. Nisy avy hatrany kosa ny fisavana ny tranony, natao teo imason’ireo tompon’andraiki-panjakana teny an-toerana, ny solontenan’ny fokonolona ka niafara tamin’ny tamin’ny fahatrarana ity basy « kalach » ity tao ambanina gonim-bary maromaro. Mitohy moa araka izany ny fikarohana ity olon-dratsy ity.

Fa tany Betafo ihany koa, tao amin’ny fokontany Laondana, ao amin’ny kaomina Manapa, dia basy « kalach » iray no hita tao amina tranon’olona iray. Ny tompon-trano dia fantatra fa karohina fatratra amin’izao, noho ny firaisana tsikombakomba amin’ny jiolahy, efa ho roa volana lasa izao, tao Ambano. Efa tsy nisy olona nipetraka intsony moa tao amin’ity trano ity, raha ny vaovao voaray, saingy mbola io nahitana basy io ihany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici