- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversHetsika « Mandio » tany Fianarantsoa : Fitaovam-piadiana mahery vaika 47 sarona

Hetsika « Mandio » tany Fianarantsoa : Fitaovam-piadiana mahery vaika 47 sarona

Basy mahery vaika, fampiasan’ny mpitandro filaminana ny sasany, toy ny « kalach » sy ny Mas 36, saingy ny hafa kosa dia basy tsy mbola fahita eo amintsika kanefa dia eny an-tanan’olon-tsotra, ary mazava ho azy fa tsy nahazoana alalàna, toy izany basy antsoina hoe « MAG 7 » izany sy ny « fusil Breda Grizzly ».

Ireto fitaovam-piadiana mahery vaika ireto no saron’ny zandary, nandritra ilay hetsika manokana « mandio » nataon’izy ireo nentina hiadiana amin’ny tsy fandriampahelamana, raha ny tany amin’iny faritany Fianarantsoa teo aloha iny. Araka ny fampitam-baovao azo dia mahatratra 47 ireto basy tsy ara-dalàna sarona sy afaka teny am-pelantanan’ireo olon-dratsy ireto. Ny folo amin’ireo basy tratra ireo no voalaza fa fitaovam-piadiana mahery vaika, 15 kosa no basim-borona (calibre 12, calibre 16 ary 22 long rifle). 22 tamin’izany basy tratra izany kosa no basy vita tanana, izay natao miendrika basim-borona ny 15 ary poleta ny dimy. Nahatratra 60 isa kosa ireo bala sarona tamin’izany. Ambon’ireo dia fantatra fa mbola nisy fitaovana hafa fanamboarana ireto basy vita gasy ireto tratra teny amin’ireo mpanao ratsy. Azo lazaina tokoa fa nitondra vokatra tsara ho an’ireo faritra nisy azy ity hetsika manokana nataon’ny zandary ity. Irarian’ny rehetra araka izany ny mba hitohizan’izany ezaka izany fa tena mahatsiaro mijaly ireo mponina eo anatrehan’ny fitaintainana lava aterak’ity trangana tsy fandriampahalemana ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici