- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-Divers“Hetsika Mandio » tany Vakinankaratra : Dahalo 7 maty, basy 7...

“Hetsika Mandio » tany Vakinankaratra : Dahalo 7 maty, basy 7 sarona, olona dimy naiditra am-ponja

Fahombiazana no azo amehezana ny hetsika “operation Mandio 2018” araka ny tatitry ny teo anivon’ny zandary. Nifarana ny herinandro lasa teo mantsy ity hetsika ity. Ny distrikan’i Mandoto sy Betafo no tena voakasik’ity “operation Mandio”’ ity raha ho an’ny faritra Vakinankaratra. Ireo faritra ireo izay isan’ny faritra mena tokoa raha ny asan-dahalo sy ny tsy fandriam-pahalemana no resahana. Ny kolonely Rasambomanana Yvon Patrick, kaomandin’ny vondrotobim-pileovana Vakinankaratra no nitondra ny tatitra ny faran’ny herinandro teo. Nambarany fa tanjon’ny hetsika ny fampandriana fahalemana. Nisy ny fifandonana tamin’ireo dahalo ka dahalo miisa 7 no maty nandritra ny “operation Mandio” basy tsy ara dalana miisa 7 no sarona , misy amin’ireo basy no vita gasy, misy kosa ny basy fampiasan’ny mpitandro filaminana. Ankoatra izay dia nahitana fanamiana mpitandro filaminana sy galona maromaro tany amin’ireo dahalo ary ny ody ratsy maro isan-karazany. Araka ny tatitra hatrany dia olona amam-polony no voatery tsy maintsy nandalo famotorona ka dimy tamin’izy ireo no fantatra fa tsy maintsy naiditra am-ponja miandry ny fitsarana azy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici