- Publicité -
lundi, avril 28, 2025
AccueilFaits-DiversHetsiky ny kandidà 11 : Tora-bato sy ny ankanenjika tetsy Antanimena sy Ankorondrano

Hetsiky ny kandidà 11 : Tora-bato sy ny ankanenjika tetsy Antanimena sy Ankorondrano

Efa nampoizina ihany ! Somary mafimafy indray ny fifanandrinan’ireo mpomban’ny « hetsika fotsy » ho an’ireo kandidà 11 sy ny mpomba ny « volomboasary » nandritry ny diabe notanterahan’izy ireo ny sabotsy teo.

Niainga tamin’ny toerana maromaro, araka ny drafitra efa napetrak’ireo mpitarika, ireo mpomba ny « hetsika fotsy », ary niaraka nihaona tetsy Ankorondrano. Toy ny tamin’ny zoma ihany koa, saika nahitàna fihetsiketsehana sy propangadin’ny mpanohana ny filoha teo aloha tamin’ireny toerana ireny. Tao anatin’izany dia nisy hatrany ny fifandranitana teo amin’ny roa tonta. Saingy ny tetsy Ankorondrano no somary mafimafy, nialohan’ny nahatongavan’ireo mpitarika ny hetsika fotsy. Andian’olona nandeha môtô, nisalotra loko volomboasary no nanomboka. Niainga ny taim-bava isan-karazany. Nisy ny toraka madinidinika. Nisy tsy nahatanty ny tany amin’iretsy niakanjo fotsy ka raikitra hatramin’ny fikasihan-tanana sy ny fifanenjehana. Nitsoaka ireo andian’olona nitondra môtô nony avy eo.

Tsy vita hatreo anefa. Raha nihamaro an’isa ihany ireo olona, nanaraka ny hetsik’ireo kandidà 11, tetsy Ankorondrano, ireo andian’olona mpomba ny filoha teo aloha kosa niandry azy ireo tetsy amin’ny « rond point » Antanimena indray. Niha-niakatra indray ny mari-pana teo amin’io toerana io, rehefa nentin’ny solombavambahoaka iray avy amin’ny hetsika fotsy, niakatra avy etsy Ankorondrano ny andian-jatovo maromaro, ho eny Antanimena. Velona teo indray ny rahom-bavava, ny fitsoahana sy ny ankanenjika isan-karazany. Saika niafara tamin’ny fifanandrinana mafimafy sy adin’ny samy mpomba ny andaniny sy ny ankilany raha tsy niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana.

Lasa ny « voloamboasary », niditra ny « maitsomaitso » ! Nihanitombo isa ihany koa ireo mpitandro filaminana avy eo anivon’ny Emmo, niakatra avy any. Ireto farany, izay efa nandray ny toerany, hisakana ireto olona maro, mpanaraka ny hetsiky ny kandidà 11, tsy hiakatra avy etsy Ankorondrano. Marihana fa nikasa ny hiditra sy hitanjozotra ho any Analakely ny diaben’ireto mpomban’ny hetsika fotsy tamin’io andron’ny sabotsy io. Analakely sy ny manodidina, izay efa nangina tanteraka ary voatemitra mpitandro filaminana. Toerana tsy azo hidirana sy hitangorona ary hitondràna olona, araka ny didim-pitondràna navoakan’ny Prefektioran’ny pôlisy. Nandritry ny adim-pamantaranandro vitsivitsy teo no nifampijerijery ny roa tonta. Soa ihany fa tsy nisy fifanandrinana teo. Nanapa-kevitra ny tsy hifanehatra tamin’ireo mpitandro filaminana mantsy ireo mpanao hetsika fotsy ary nitodi-doha niverina nihazo an’Ankorondrano iny : ho any amin’ny biraon’ny Ceni, raha ny fantatra. Tany no nirava ny hetsika, ny hariva, izay nisiana fisamborana sy fanaparitahana ireo olona. Tsy nisy kosa ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici