- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversHJRA : Mitantara ny zava-nitranga ireo naratra sy ny fianakaviany

HJRA : Mitantara ny zava-nitranga ireo naratra sy ny fianakaviany

Maro ny resaka mandeha manodidina ny fipoahana baomba teny Mahamasina ny harivan’ny 26 jona lasa teo. Tsy misy hatreto ny vaovao marim-pototra azo ianteherana mahakasika ny hoe « iza no tena tompon’antoka tao ambadik’izao zavatra izao ? ». Tsy mbola fantatra ihany koa ny tena anton’ireny zavatra rehetra ireny. Etsy ankilany, niezaka naka ny feon’ireo izay niharam-boina sy ny fianakaviany ny mpanao gazety. Anisan’izany ny renin’ilay zazavavikely tsy nitonona anarana izay vao 15 taona monja naratran’ny baomba teny Mahamasina. “Raha ny fitantarany taminay dia nilaza izy fa tsy nahita na inona na inona fa tsapany ho nihovitra fotsiny ny tany. Taorian’io dia nangoritsina ihany koa ny tongony rehetra, izay vao nipoaka ilay baomba. Torana avy hatrany izy ka ny olona izay mpiray monina aminay eny Antohomadinika sendra nahita azy tany koa no nitondra azy taty amin’ny hopitaly sy nampiantso anay ray aman-dreniny” hoy ny fanazavany. Ankoatra azy, nitondra ny teniny ihany koa i Nantenaina, 18 taona, sy I Alex 14 taona izay zana-drahavavin’iry voalohany monina eny Manjakaray. “Izahay samy tsy nisy nanam-po na inona na inona fa variana tamin’ny fampisehoana. Setroka fotsiny no hitanay fa tsy noeritreretinay ho zavatra hafa kinanjo avy teo nisy zavatra nipoaka be tampoka. Samy naratra izahay mianaka ary nifampibata nitsoaka mba hanavotra aina ho aty amin’ny hopitaly” hoy ny fitantaran’i Nantenaina. Ity farany dia marihina fa anisan’ireo tena voa mafy tokoa tamin’iny loza niseho iny satria dia ny kibony no voa ary voatery nozairina mihitsy izany. Mbola nahitana potipoti-by tamin’ilay “grenade” ihany koa ny tongony iray manontolo izay tena mbola maharary azy tokoa. Ity farany izay marihina fa nalefan’ny hopitaly nody nefa mbola tena tsy afa-mandeha mihitsy. Tsy vitsy tamin’ireo fianakavian’ny naratra tokoa no nitaraina manoloana ny fandraisana andraikitry ny mpiasan’ny hopitaly. Anisan’izany ny renin’i Christian izay tena voa mafy tokoa. “Niaraka tamin’i Avotra (ilay namoy ny ainy) mihitsy izy tamin’io ary tena maratra mafy ihany koa. Mibontsina ny masony ary goaka be ihany koa ny feny nefa dia tsy mbola niditra “bloc” foana. Tsy fantatra izay tena hevitr’ilay dokotera ny aminy. Izahay anefa efa tamin’ny 3 ora maraina no tonga taty niambina azy” hoy ny fitarainany. Ankoatr’izay,  nisy tamin’ireo izay nanatri-maso ny loza no nanazava sy nijoro vavolombelona fa tazan’izy ireo nisy nanipy avy any amin’ny “gradin” ilay baomba fa tsy avy ao anaty olona araka ny fiheveran’ny maro azy. Voalaza ihany koa fa nisy poa-basy taorian’io fa tsy hay izay tena fiaviany. Andrasana araka izany ny mety ho tohin’ny fanadihadiana.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici