
Hampanjaka ny fitsinjaram-pahefana ho an’ny vahoaka eny ifotony ka manana tombony lehibe amin’izany ny kaominina Ambohijanaka raha tena voanona ho an’ny fanovana ny rehetra ka hamela lova tsara ho an’ny taranaka fara aman-dimby. Anisan’ny fandaharan’asan’Atoa Aina Rasolofoson, kandida ho ben’ny tanàna eny Ambohijanaka ireo. Miompana amin’ny lafiny ara-tsosialy kokoa ny programan’asany. Izy rahateo tsy ao anatina antoko politika fa fikambanana sosialy no manohana sy miara-miasa aminy. Kaominina manana n’y maha izy azy ny eny Ambohijanaka kanefa hita fa tsy mandroso araka ny tokony ho izy. Anisan’ny olana eny an-toerana izao ny fisian’ny fitrandrahana vato izay tokony isitraka tombotsoa amin’izany ny kaominina saingy misy olana. « Vonona ny hiaro ny tombotsoan’ireo mpitrandraka madinika eo antoerana mba ny hanjakazakain’ireo mpanambola sy ny mpitrandraka hafa avy any ivelany izay tsy ao anaty kaoperativa , ary ko hametra tetik’ady fitia tsy mba hetra hanarenana ny lalana mizotra eny amin’ny kariera rehefa fotoam-pahavaratra ». Izahay, hoy i Aina Rasolofoson. Eo ihany koa ny hamerina amin’ny laoniny ny fihariana ara tsosialy izay tena ilain’ireo marefo sy s’y ireo be antitra mila fanohanana.
Hanamafy orina ny fandriam-pahelemanana Izay tena mampitaraina ny vahoaka satria misy amin’ireo foto-drafitrasa toy andrin-jiro no efa tsy mirehitra intsony ( jiro , lampe cobra). Mampirongatra ny tsy fandriampahalemana eny amin’ny kaominina ny haizina ary atao laharam-pahamehana ny fanazavana. Tsy ekena intsony ny fijaliana ireo mponina rehefa marary na ho teraka tsy vita ao amin’ny CSBII ka mila entina amin’ny hopitaly aty an drenivohitra ka hojerena manokana izany toy ny fanampiana ny fitaovana toy ny groupe électrogène sy ambilansy. Santionany ihany ireo, kanefa hita fa tena maharary ny vahoaka eny Ambohijanaka eny. Ny hamaha olana sy ho akaiky ny vahoaka no tanjona, hoy i Aina Rasolofoson.
Yv Sam