- Publicité -
mardi, septembre 22, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsHopitaly be Analakininina Toamasina : Mitombo isa ireo marary saina tsaboina ankehitriny...

Hopitaly be Analakininina Toamasina : Mitombo isa ireo marary saina tsaboina ankehitriny vokatry ny rivodoza Gezani

Centre neuro psychiatrie nohavaozina taorion’ny Gezani.

Tena nanaitra ny maro ny fitomboan’isa isam-bolana teo amin’ireo olona tsaboina ao amin’ny sampana fitsaboana ny aretin-tsaina (hospital psychatrique) eo anivon’ny hopitaly be Analakininina Toamasina.

Raha manodidina ny 270 isam-bolana ireo tsaboina teo alohan’ny rivodoza, dia ankehitriny dia mananiky ny 350 isam-bolana izany taorian’ny Gezani ary efa tonga hatrany amin’ny 380 isam-bolana izany ny volana may lasa teo, hoy ny talen’ny ivon-toerana mitsabo ireo marary saina eto Toamasina. 50 isan’andro eo ny olona marary raisina ankehitriny vokatr’izany fitomboana eo amin’ny isan’ny marary izany. Noho ity toerana ity mitazona ho zava-dehibe amin’ny fitsaboina momba ny aretin-tsaina, dia natao zava-dehibe ny fanarenana azy, ka izay no nahatonga ny seranan-tsambo nanampy ny faranenana azy. Teo koa ny orinasa HITA izay mpanodina menaka nanampy ara-pitaovana ny toerm-pitsabona. Vita ny trano narenina izay simban’ny rivodoza Gezani tany amin’ny taha manakaiky ny 100% tamin’izany, ary nahazo fampitaovana ampahan’ny voalohany koa ny ivon-toerana.

Nambaran’ny tale jeneralin’ny SPAT nandritra ny lahateniny nanolotra ny fotodrafitrasa narenina fa efa natao hiaro ireo marary ao anatin’ireo rivodoza mety handalo ny trano. Nanambara ihany koa ny tale jeneralin’ny HITA fa natolotra ireto fanomezana noho ny fangatahn’ireo mpitsabo hitsaboina ireo marary. Nahitana fandriana ho an’ny marary niisa 30 – “Potence” niisa 10 – “chariot en étage 03” – « extracteur d’oxygène » tsotra sy manana fatra 10 litatra  niisa iray avy – ary ireo fitaovana samy hafa tena ilain’ny toerana fitsaboana. Miisa efirano 16 kosa ity narenina izay ahitana efitrano fitokana-monina miisa telo sy birao fiasana ho an’ireo mpitsabo.

Ankoatra ireo mbola harerina aoriana izao ilay trano mifanila amin’ity trano efa vita ity, miaraka amin’ireo fitaovana ao anatiny ihany koa.

Malala Didier

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici