
Nisahotaka ny mponina teto Antsirabe, tao ny niantso vonjy , tao ny nitsoka kiririoka sy nihorakoraka, maro koa no nihevitra fa nisy namaky ny tranony. Nihovitrovitra segondra maro ny tany vao samy tonga saina fa horohoron-tany kay no nitranga omaly maraina tokony ho tamin’ny 1ora sy 7 minitra teo. Araka ny fantatra, dia tany amin’ny Tanana antsoina hoe Antananolofotsy, 45 km atsimo Andrefan’i Betafo no nisy ny foiben’ity horohoron-tany ity; izay nahatratra 5.4 amin’ny mari-drefy Richter. Ity no voalaza fa horohoron-tany nahery vaika sady naharitra indrindra niseho teto Vakinankaratra. Maro ny fahasimbana hita tetsy sy teroa, indrindra fa tamin’ny trano fonenana na dia tsy nisy aza ny tena nirodana tanteraka, tsy nisy ihany koa ny naratra na aina nafoy. Saika nahitana triatra sy vaky avokoa ny ankamaroan’ny rindrina sy trano somary tranainy teto Antsirabe. Ho an’ny tao amin’ny fokontany Atsimontsena izao, dia nisy dimy ny trano tena simba ary trano iray hafa nangatahan’ny tompony harodana, satria atahorana hanimba ny trano mifanila aminy. Trano iray hafa koa no nahitana fahasimbana be tao amin’ny fokontany Saroloha, araka ny fanazavan’ny tompon-trano, dia naorina vao haingana izy ity, nihotsaka ny rindrina amin’ny ilany ambony ka nanimba ny fitaratry ny fiara Starex teo an-tokotany. Isan’ny tena nahitana fahasimbana koa ny biraom-panjakana teto Antsirabe, toy ny faritra, ny kaominina ary ny tranoben’ny varotra. Marihina mantsy fa trano efa tranainy avokoa izy ireo. Ankoatra izay, orinasa iray afaka haba eto Antsirabe no voatery nandrava ny mpiasa tao aminy nandritra io loza io, satria maro ny fahasimbana hita raha ny fantatra hatrany. Isan’ny nitondra faisana ihany koa ireo mpivarotra zava-pisotro manana entana mipetraka amin’ny “etagère” fa saika tapitra vaky avokoa. Mbola miteraka resabe sy ahiahy ho an’ny mponina eto Antsirabe iny horohoron-tany nahery vaika iny hatramin’izao ora anoratanay izao satria, miely ny feo fa mbola mety hiverina iny horohoron-tany iny. Tsy misy rahateo ny fanazavana avy amin’ny mpitondra na ireo manampahaizana hatreto, fa miaina amin’ny honohono ny vahoaka.
Andry N.