- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversHotelin’ny Frankofonia : Tsy voaloa ny karama, nimenomenona ny mpiasa

Hotelin’ny Frankofonia : Tsy voaloa ny karama, nimenomenona ny mpiasa

Nampiaka-peo nanomboka omaly ny mpiasa eo anivon’ny hotely lehibe iray etsy Ivato. Fanta-daza izany satria na ny tompony koa aza dia saika isan’andro no mivoaka an-gazety tato ho ato noho ny olany amin’ny Bianco. Tsy voaloa tamin’ny fotoana tokony nandoavana azy ny karaman’ny mpiasa ary omaly dia efa saika hitokona sy hampiantso mpanao gazety ireo farany. Saingy nisy ny famonoana afo avy hatrany dia ny fampanantenana fa hanomboka anio ny famoahana ny vola, vola izay nolazaina fa tsy miankina amin’izy ireo fa kosa ny andriam-panjakana eny Iavoloha no tompon’andraikitra amin’izany. Ny tena nimenomenona dia ireo mpiasa avy any amin’ny faritra izay niakatra teto an-drenivohitra fotsiny mba hikarama mandritry ny frankofonia. Miandry ireo mpiasa alohan’ny hanapahan’izy ireo hevitra, raha araka ny loharanom-baovao akaiky azy ireo.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici