
Anio ao amin’ny efitra faha-dimy etsy lapam-pitsaràna Anosy no hotsaraina ny raharaha izay nahafaty olona valo. Izany dia mahakasika ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga teny amin’ny tetezan’i Tanambao Manamboro, eny amin’ny lalam-pirenena faha-enina. Ny 30 jolay 2014, raha nisongona ny kamiao iray ny fiara fitaterana izay nitondra olona 55 tao anatiny, an’ny koperativa Soavadia, no nitranga ny loza. Nidona tamin’ny rindrina mampisaraka làlana ny kodiarana aloha an’ilay fiara fitateram-bahoaka. Vokatr’izany dia nivarina tany anaty hatsana ny fiara. Olona valo no namoy ny ainy ary maherin’ny telopolo ny naratra mafy ka voatery nampiakarina taty Antananarivo, tao amin’ny hopitaly Hjra rehefa vita ny fitsaboana fameloman’aina tao amin’ny hopitalin’Antsohihy. Mampitohy an’andrenivohitra an’Antalaha io fiara lehibe io ary saika hihazo ny faritra avaratra izy no io niharan’ny lozam-pifamoivoizana io. Hatreto dia tsy mbola hita izay nanjavonan’ny mpamily izay mazava hoazy fa isan’ny notorian’ny fianakavian’ny maty, ankoatry ny koperativa. Efa ela ny mpitory no mba naniry ny hanaovana haingana ny fitsaràna saingy tsy tontosa izany satria tsy nety hita ny tena tompon’andraiktira voalohany dia ny mpamily sy ny mpanampy azy izany. Nahoana no efa-taona aty aoriana izay vao mandeha ny fitsaràna ? Raha ny fanazavan’ny fianakavian’ny maty dia nanjavona tao amin’ny fitsaràna ny dosie ary manahy mafy izy ireo ny nisian’ny mpiraki-draharaha iray izay nanao kolikoly ka nahatonga izany. « Raha tsy nandondona mafy izahay sy nanara-maso akaiky nandritr’izay efa-taona izay dia tsy nandeha mihitsy io fitsaràna io. Tsipihinay koa fa tsy mba nisy didy fampisamborana ny mpamily hatramin’izao ary tsy nisy sary na ny kely aza nivoaka » hoy hatrany ny fianakaviany izay maniry mafy ny mba handraisan’ny fitsaràna fepetra hentitra momba ity raharaha ity satria ain’olona maro no maty ary maro koa ny nitondra takaitra. Momba ny trano mpiantoka indray dia naverimberina teny hatrany ny olona kanefa tsy nisy tohiny akory ary very tao amin’ny fitsaràna koa aza ny dosie momba izany, raha araka ny loharanom-baovao mitovy hatrany. Raha tsiahivina dia nampanantena ny fitondràm-panjakana avy amin’ny praiminisitra tamin’izany fotaoana, ny hanara-maso akaiky ny raharaha ka hanasazy ny tompon’andraikitra no koa handray an-tànana ny fitsaboana rehetra. Nijanona teo amin’ny fanomezana valopy kely anefa izany ary samy nizaka ny fahavoazana ny rehetra izay voakasik’ilay lozam-pifamoivoizana. Raha ny tanjona izany dia saika natao izay tsy hisian’ny tohiny tamin’ity raharaha ity ary dia samy niala maina fotsiny izay niharam-boina sy ny fianakaviany noho ny herin’ny kolikoly. Mitodika eny Anosy ny mason’ny olona anio. Be loatra koa izay lozam-pifamoivoizana tsy nisy tohiny izay ary dia ity raharaha ity no azo hatao fitaratra ny amin’izay mety ho fiafaran’ny raharaha toa ireny.
D.R