- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversIakora : Fanafihan-dahalo, olona 20 mahery namoy ny ainy

Iakora : Fanafihan-dahalo, olona 20 mahery namoy ny ainy

Mangotraka izay tsy izy indray ny asan-dahalo any amin’iny faritra Ihorombe iny. Ny alahady lasa teo, tao amin’ny distrikan’Iakora, dia olona 23 indray no namoy ny ainy nandritra ny fifandonan’ny fokonolona sy ny dahalo tao Manateza, kaomina Volambita. Raha ny fampitam-baovao azo dia manodidina ny valopolo lahy ireo dahalo no tonga nanafika ity tanàna ity. Omby an-jatony kosa no lasan’izy ireo tamin’izany. Nandritra ny fanafihana dia tsy nitsahatra niresaka ny basy nentin’ireo malaso. Tsy nanaiky lembenana kosa anefa tetsy andan’izany ireo fokonolona. Vokany, olona dimy tamin’ireto farany no lavon’ireo dahalo, am-polony teo ho eo kosa no naratra. Tonga nanampy tosika ny fokonolona ihany koa anefa ny mpitandro filaminana, nifanandrina tamin’ireo andian-dahalo. Nahatratra teo amin’ny 18 teo no fantatra fa matin’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana, ambonin’ireo lavo, izay nentin’ny namany nitsoaka. Fantatra fa mbola mitohy ny fanarahan-dia ataon’ireo fokonolona sy ireo zandary any an-toerana. Nentina notsaboina ao amin’ny kaomina Ranotsara Avaratra kosa ireo fokonolona naratra.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici