- Publicité SW45 -
samedi, septembre 21, 2024
AccueilFaits-DiversIakora : Naranty ho hitan’ny fokonolona ny lohan’ilay dahalo novonoina

Iakora : Naranty ho hitan’ny fokonolona ny lohan’ilay dahalo novonoina

Leo. Tofoka tanteraka mihitsy ireo mponina any amin’iny faritra Ihorombe iny, indrindra fa amin’ireo distrika mafampana toy ny ao Iakora, Ivohibe sy ny maro hafa, ny amin’iny asan-dahalo izay niha-nahazo vahana indray tato ho ato. Porofon’izany ny tranga miseho ao Iakora, izay nampirantian’ireo fokonolona eo am-povoan-tanana ny lohana dahalo iray, izay matin’izy ireo nandritra ny fanarahan-dia nataon’ireo mponina tany an-toerana. Raha ny fanazavana azo tokoa, dia tato anatin’ny efatra andro monja dia fanafihan-dahalo mahery vaika roa no niainan’ireo mponina tany an-toerana. Ny voalohany, ny faran’ny herinandro teo; izay niseho tao amina tanana iray, tsy dia lavitra loatra ny tampon-tanana. Omby am-polony no lasa tamin’izay. Nampandrenesiny ny tompon’andraikitry ny filaminana tamin’io fotoana io, kanefa tsy niandry izany loatra ireo fokonolona fa avy hatrany dia nanatanteraka ny fanarahan-dia. Nisy ny fifandonana tamin’ireo dahalo tamin’io fotoana io ka ny iray tamin’ireo dahalo no namoy ny ainy. Nitsoaka vokatr’izay ny ambiny, namela ireo omby nangalarin’izy ireo teo. Ity dahalo maty nandritra izany fifandonana izay no notapahin’izy ireo ny lohany, ary dia io nentiny nody tany an-tanana sy naseho ny vahoaka manontolo io. Vao ny voalohandohan’ny herinandro teo ihany koa dia efa nahenoana fanafihan-dahalo, tao amin’ny tanana tokony ho valo kilaometatra miala an’Iakora. Tamin’ity indray mitoraka ity dia efa tonga tany an-toerana ireo zandary maromaro, izay nampian’ny miaramila. Tonga nanampy ireto mpitandro filaminana ireo ihany koa ireo zareo avy amin’ny BIA, na ilay vondrona manokana iraisan-tafika izay vao notokanana tsy ela akory izay, hiadiana amin’ity asan-dahalo ity. An-jatony araka izany ireo mpitandro filaminana no nilatsaka tany an-toerana, ary mbola eo am-panatanterahana ny fanarahan-dia sy ny fanaovana savahao ireto malaso ireto izy ireo, hatramin’ny omaly.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici