Loza iray, loza roa! Tsy nisy avotra fa maty tsy tra-drano izy mivady vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tetsy Antetezana-Iavoloha. Omaly vao maraina, manodidina ny tamin’ny enina ora latsaka fahefany. Raha nanao taingin-telo izy mivady niaraka tamin’ny zanany no nianjera tampoka, ary voahitsaky ny kamiao tao arinany. Raha ny filazan’ny nanatri-maso dia nisongona bisikileta ilay kodiaran-droa misy motera. Teo indrindra no nitera-doza. « Nitondra entana ilay bisikileta ary nisy hazo nitsivalana teo amin’ny fitoeran’entana. Izany no azo heverina fa nandrirotra ilay moto sy ny olona nentiny izay nianjera avy hatrany, ary voahitsaky ny fiara lehibe avy tao ariana » raha araka ny fanazavàn’ireo nilaza ho nahita io. Teo ihany dia namoy ny ainy izy mivady. Divi-janahary kosa no tsy nahafaty ilay zazalahy zanak’izy ireo izay mbola vao telo taona. Nipitika tany amin’ny tsy làlan’ilay kamiao izy, ary mba afa-doza tanteraka. Ratra madinika vokatry ny fianjerana no nahazo ilay zaza. Nikorotan-tsaina izay nahita sady onena, satria nahatsapa avy hatrany fa fiainam-pianakaviana iray no indray tapitra tao anatin’ny indray mipi-maso monja. Tsy mitsahatra ny mamono olona ny kodiaran-droa noho ny lozam-pifamoivoizana, indrindra eto an-drenivohitra. Mila fandaminana tanteraka, satria lasa loza mitatao noho ny antony maro samihafa, izay tsy voatery ho hadisoan’ny mpitaingina azy hatrany…
D.R