- Publicité -
mercredi, juin 25, 2025
AccueilFaits-DiversIBITY ANTSIRABE :  Hanokatra ozinina vaovao ny ALPHA Ciment

IBITY ANTSIRABE :  Hanokatra ozinina vaovao ny ALPHA Ciment

Holcim Madagasikara no namantaran’ny maro ny orinasa teo aloha saingy efa niova ho Alpha ciment izany ankehitriny. Nanamafy ny orinasa fa efa manana toerana lehibe eo amin’ny fiaraha monina malagasy ny fisiany satria efa mihoatra ny 75 taona ny traikefa hanany, tsy eo amin’ny famokarana simenitra ihany fa eo ihany koa ny fiaraha miasa  maharitra amin’ny ireo mpisehetra amin’ny  lafiny fanorenana sy fanitarana tanàna.

Fantatra fa hanokatra osinina vaovao hamokatra simenitra ny Alpha ciment ao Ibity ao izay mitentina 100 tapitra dolara eto ny hananganana azy, tanjon’ity osiina vaovao ity ny hahaleo tena ny firenena Malagasy eo amin’ny famokarana simenitra ka tsy voatery hanafatra any ivelany intsony.

Miisa telo ankehitiny ny osinina misy ny Alpha eto amin’ny Nosy ankoatra ny ao Ibity antisirabe dia ahitana ny Alpha ciment ao Toamasina sy Tanjombato Antananarivo.

Ankoatra izay, mpadraharaha maro misehatra eo amin’ny fanorenena , manampahaizana manokana «maçons » manodidina ny 150 isa ; mpivarotra kojakojam-panorenena trano « quincaillerie »  no nasana manokana nanaraka fampiofanana sy fizarana traikefa eo amin’ny fampiasana ny simenitra LAFATRA, karazana simenitra fahetelo navoakan’ny orinasa. Miavaka ity simenitra ity raha ny fanazavana nandritra  ny valan-dresakasa satria afaka ampiasana amin’ny asa maro izy ity, toy ny lalotra, « béton », azo ampiasana  manomboka eo amin’ny fanorenana  fototra ka hatramin’ny famaranana ary mahazaka hatramin’ny rihana telo ny tanjany.

Raha fehezina, azo ampiasana amin’ny fanorenana rehetra ny simenitra Lafatra, natao hanamorana ny asa amin’ny fananganana fonenana na fotodrafitrasa maharitra.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici