- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversIbity : Lehilahy iray maty voatifitry ny dahalo

Ibity : Lehilahy iray maty voatifitry ny dahalo

Nitrangana fanafihan-dahalo indray, tao amin’ny kaominina Ibity Antsirabe faharoa, ny alin’ny Talata 25 Aprily lasa teo. Raim-pianakaviana iray maty voatifitry ny dahalo. Dahalo tsy latsaky ny 15 lahy no voalaza fa nanao ny fanafihana tao amin’ny Tanàna antsoina hoe Apopoha io alin’ny talata hifoha alarobia 26 Aprily io. Tanàna somary lavitry ny renivohitry ny kaominina moa ity Apopoha ity ka nanano sarotra ny fokonolona ny niantso ny mpitandro filaminana. Tsy nanaiky mora foana ny hakana ny fananany anefa ny fokolona na dia teo aza ny fitaovam-piadiana mehery vaika nentin’ireo dahalo. Ny andro rahateo alina ka tao anaty haizina no nifanjevo ny roa tonta. Vokany raim-pianakaviana iray no lavon’ny balan’ny dahalo. Omby 4 no voalaza fa lasan’ireo dahalo, saingy noho ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona, dia navotsotr’ireo dahalo ny omby roa teny an-dàlana ka tafaverina tamin’ny tompony ihany. Fomba efa fanaon’ny fokonolona ao Apopoha moa ny fiambenana ataon’ny vatan-dehilahy, voalaza fa tsikaritr’ireo mpiambina ny nahatongavan’ireo dahalo sy namoahany ny omby tao am-bala, fa noho ny hery tsy mitovy dia tsy sahy nifanehitra taminy ireo mpiambina raha tsy nampian’ny fokonolona mitambatra. Niezaka nanohitra hatrany moa ny fokonolona na dia vato sy pilotra ary kibay aza no nifanandrina tamin’ny basy.

Andry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici