vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversIfanadiana : Fanafihan-dahalo : olon-tsotra 3 maty voatifitra, omby 10 voaroba

Ifanadiana : Fanafihan-dahalo : olon-tsotra 3 maty voatifitra, omby 10 voaroba

Notafihan’ny andian-dahalo nirongo fitaovam-piadiana indray tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambohimiera, Distrikan’ Ifanadiana, omaly naraina, tokony tamin’ny roa ora, ka omby miisa folo no voaroba tao an-tanànan’i Tomarosana, Fokontany Ambananitomarosana. Nandritra ny fanafihana, araka ny vaovao voaray avy hatrany, dia olona telo teo an-tanàna izay niaro mafy ny fananany tsy horobain’ireo tsy mataho-tody no namoy ny ainy maty voatifitra. Manoloana ny fanafihan-dahalo mateti-piseho ity, dia miraviravy tanana ny mponina any an-toerana, izay mahatsiaro ho tsy misy mpiaro intsony, ka manaitra ny mpitondra mahefa mba hitady vahaolana maharitra sy mahomby, satria ny Gasy samy Gasy ihany no mifamotika. « Tsy vitany mandroba ireo olon-dratsy fa mandoro tanàna sy mamono mihitsy », hoy ireo mponina.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici