- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversIhorombe : Fiara nitondra razana nivadika, nahafaty roa hafa

Ihorombe : Fiara nitondra razana nivadika, nahafaty roa hafa

Handevina ny anton-dia. Kinanjo mbola nidiran-doza ihany ny fiara izay nitondra ilay fianakaviana mana-manjo. Tsy vitan’izany aza fa mbola nisy namoy ny ainy indray koa tamin’ireo. Teo Ranohira no nitranga ny lozam-pifamoivoizana ny alahady teo, fiara tsy mataho-dàlana mitondra ny marika Mitsubishi L200 izay nitondra olona 18 no nivadibadika. Olona roa no namoy ny ainy tao anatin’izany ary tapitra naratra avokoa ny 15 ambiny. Avy any Andohanilakaka ary hizotra any Behara, Amboasary-Atsimo ny anton-dia mba handevina no izao niharan-doza izao ilay fianakaviana. Manodidina ny tamin’ny iray ora maraina no nitranga ny loza ary notaterina tany amin’ny hopitaly akaiky indrindra ireo naratra. Raha ny fanazavana avy amin’ny mpitandro ny filaminana dia niala tokony ho 130 metatra tamin’ny arabe ny fiara ary nivadibadika nandritr’izay. Sady nandeha mafy no nanao taingim-be no eritreretina ho nitarika ny loza izay niteraka fahoriana telo sosona sy takaitra maro ho an’ny fianakaviana. Isan’ny lalana faran’izay tsara amin’ny lalam-pirenena eto amintsika eo antampon’Ihorombe no sady mahitsy koa. Betsaka ny manararaotra ny mandeha mafy rehefa mizotra eo ary mitera-doza mora foana izany, indrindra raha misy olana kely ny fiara. D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici