- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIhosy : Fiarana manambonahitra ambony, tratra nitatitra rongony

Ihosy : Fiarana manambonahitra ambony, tratra nitatitra rongony

Omaly maraina, fiarana zandary mitondra ny laharana Z 5160, izay laharana ampiasain’ny Vondro-tobim-pileovan’ny zandary Androy any Ambovombe, no voatery najanon’ny pôlisin’Ihosy. Rehefa nojerena mantsy dia mampiahiahy tanteraka ny zavatra nentiny, izay tsy inona tamin’ny fisavàna fa rongony eo amin’ny 20 gony teo. Olona telo no tao anatin’ity fiara ity, ary ny mpamily dia manao fanamiana sy galonan’ny zandary. Nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany moa ireto farany. Nitondra fanazavàna mahakasika ity tranga ity avy hatrany moa ny zandarimariam-pirenena, izay nilaza fa : « fisandohana ho zandary sy fampiasana an-tsokosoko laharana fiarakodian’ny zandary io zavatra io ». Rehefa nohamarinina tokoa mantsy dia fiaran’olon-tsotra izy ity no mody nasiana ity laharana famantarana ny fiara ampiasan’ny zandary ity. Tetsy an-danin’izay dia fantatra ihany koa fa olona misandoka ho zandary ilay mpamily nitondra azy. « Zandary efa voaroaka tamin’ny taona 2010 (décision N° 391-COM/4DRH/PSO tamin’ny 22 septambra 2010) io mpamily io noho ny fanaovana asan-jiolahy sy fanafihana, ary koa efa niditra am-ponja teny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy tamin’io taona io ihany no izao tratra manohy ny asa ratsiny izao indray » hoy ny fanazavàna hatrany. Tao anatin’ny fanadihadiana lalindalina ihany koa no nilazan’izy ireo fa tena misy ilay laharana ary « manamboninahitra ambony ao amin’ny zandarimariam-pirenena no tompony. Efa nandray ny fepetra ny nandefasana azy io any Ihosy mba hatao famotorana ny Tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Zandarimariam-pirenena. Fantatra moa fa zokin’ilay mpamily nisandoka ho zandary ihany izy io ». Nosokafana avy hatrany moa ny fanadihadiana izay niarahan’ny zandary sy ny pôlisy izay nahatratra azy ireo. Eto kosa dia manamafy hatrany ny avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena fa « tsy handefitra fa handray ny andraikitra manandrify izay mety ho fandikan-dalàna rehetra hita amin’izao raharaha izao ka hanao ny fampiharana ny lalàna manankery na ny araky ny lalàna famaizana izany na ny ara-pitsipi-pifehezana raha toa ka misy andraikitr’io manamboninahitra ambony io na ankolaka na mivantana amin’izao raharaha izao ». Ary « ny mpanao fanadihadiana sy ny fitsarana hanao ny asany fa ny ny ambaratongam-pahefana eo anivon’ny zandary kosa dia tsy hanao afa-tsy ny fampiharana sy fanatanterahana izay didy ho avoakan’ny fitsarana sy ny « conseil d’enquête ».

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici