Nandriaka indray ny rà, noho ny resaka tsy fetezana teo amin’ny lafiny ara-mekanika tamina fiarabe iray, tany amin’iny faritra Ihorombe iny, teo Ikalamainty iny, ny sabotsy tolakandro lasa teo. Vokany aina efatra be izao no indray nafoy tamin’izay, olona 13 kosa no naratra mafy, ary tsy nalefa notsaboina tao Ihosy. Ny zava-nitranga. Fiarabe iray, nitondra mpandeha sy entana no nivadika ambony ambany, 10 kilaometatra tsy hiditra an’Ihosy. Fidinam-be efa manana ny lazany tanteraka raha ity faritra antsoina hoe Ikalamainty ity. Noho ity fiarabe ity feno hipoka loatra sy mavesatra ka tsy nahatàna azy intsony ny hisatrany, hany ka namantana fotsiny ilay fiara, ary niafara tamin’izay fivadibadihany izay. Marihana fa fiarabe avy any Beroroha, hihazo an’Ihosy izy ireo raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary. Nifangaro tao anatin’ity fiara ity araka izany ireo entana marobe sy ny olona nentiny. Tao ireo tapa-tongotra, tapa-tanana, sns. Maro tamin’ireo mpandeha tao anatiny no mbola nosokirina vao afaka tao, raha ny vaovao voaray hatrany, ka anisan’izany ireo namoy ny ainy. Nifamonjena haingana nentina tao amin’ny hôpitaly tao Ihosy kosa ireo naratra. Araka ny vaovao hatrany dia mbola misy ireo tena voa mafy sy mbola miady amin’ny fahatesana. Nidina avy hatrany teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza moa ireo mpitandro filaminana nijery ifotony ny zava-nisy sy nanao ny fanadiahadiana.
m.L