- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversIhosy : Mpanera tany nisoloky 40 tapitrisa ariary nampidirina am-ponja

Ihosy : Mpanera tany nisoloky 40 tapitrisa ariary nampidirina am-ponja

Vehivavy mpanera tany iray no nampidirina am-ponja vonjimaika ao Ihosy, rehefa voarohirohy ho nanao hosoka sy fampiasana hosoka tamina varotra tany ny herinandro lasa teo. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay olona nividy izany tany izany. Araka ny fitarainan’ny tompon’ilay tany namidy,  dia 40 tapitrisa ariary no fatiantoka nanjo azy tao anatin’izao raharaha izao. Monina aty Antananarivo ilay tompon’ny tany ka nanankina ny fivarotana izany tamin’ilay mpanera. Nahita mpividy tokoa izy ary efa nisy ny vodiondrim-barotra noraisin’ny tompon’ny tany. Nanomboka teo, dia tsy nisy fifandraisana firy teo amin’ny telo tonta. Gaga anefa ity farany raha naheno fa efa vitan’ilay mpanera daholo ny fifampivarotana tamin’ilay mpividy. Vitany daholo ny taratasy rehetra ilaina amin’izany, izay hosoka avokoa. Noho izany, nitondra ny raharaha teo anatrehan’ny Fitsarana ilay tompon’ny tany rehefa nahatsiaro fa voasoloky. Nilaza ho efa nitady fifampiraharahana tamin’ireto mpisoloky ireto ihany anefa ny mpitory, mba hiverenan’ny taniny aminy, saingy narirarin’iretsy voalohany hatrany. Andrasana noho izany ny havoakan’ny Fitsarana amin’ ity raharaha ity ; izay mbola tsy voafaritra ny daty hanatanterahana azy.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici