Omaly tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany no nitranga ny loza. Nivadika ambony ambany, ny fiara tsy mataho-dàlana nitondra mpanao gazety avy niasa tany Ilakaka. Olona iray no maty tsy tra-drano ary naratra mafy kosa ny vehivavy roa tao anatin’ny fiara, raha araka ny fanazavan’ny zandary. Nentina avy hatrany tao amin’ny hopitalin’Ihosy ireo naratra raha araka ny tatitra azo hatrany. Tsy mbola voafaritra kosa ny nahatonga ny loza ankoatry ny hoe nivoaka ny làlana ilay fiara tsy mataho-dàlana ary nivadika tanteraka. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’ny maty ary fahasitranana haingana ho an’ireo namana mpanao gazety.
D.R