- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIhosy : Vola sandoka 5 tapitrisa ariary sarona

Ihosy : Vola sandoka 5 tapitrisa ariary sarona

Anisan’ny distrika malaza amin’ny bizina ny ao Ihosy, renivohitry ny faritra Ihorombe. Ny ao Ranohira (fizahantany), Ilakaka (safira) ka maro ny famotsiam-bola mivezivezy. Lehilahy iray nitonona ho mpivarotra ao Ranohira saika handrotsaka vola dimy tapitrisa ariary tamina banky iray tao Ihosy no nahasaronana vola sandoka iray alina ariary an-jatony, ary nitovy avokoa ny laharany, ny faramparany herinandro lasa teo.

Raha ny vaovao voaray dia teo am-panisana ny vola ny mpiasan’ity banky ity no nahatsikaritra fa hafahafa ny taratasin’ilay vola. Rehefa avy notsirihana sy nohamarinina ireo vola ary fantatra fa sandoka dia niantso mpitandro filaminana avy hatrany ny tompon’andraikitra. Tamin’ny fanadihadiana natao no nilazan’ity lehilahy ity fa vola maty tamin’ny varotra nataony tany Ranohira ireto vola. Nentina niverina tany Ranohira ny tenany nikarohana izay olona nanome azy ireo vola, saingy efa tsy hita intsony.
Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici