- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversIkalamavony : Dahalo roa nanakana mpianatra, matin’ny fitsaram-bahoaka

Ikalamavony : Dahalo roa nanakana mpianatra, matin’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy roa voalaza fa dahalo indray no niharan’ny fitsaram-bahoaka tany amin’iny faritr’Ikalamavony iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nentin’ny hatezerany ny vahoaka ka tsy namelany raha tsy maty teo ambany mason’izy ireo ireto voalaza fa olon-dratsy. Araka ny fampitam-baovao tany an-toerana dia tratra ambodiomby saika hanao ny asa ratsiny izy ireo izao nifanenjehan’ny olona izao. Nisy zaza amam-behivavy maromaro mantsy saika nosakanan’izy ireo tao Maromala, ao amin’ny fokontany Imandro, kaominina Mangidy, any amin’ny distrikan’Ikalamavony. Mpianatra handeha hody avy nirava nianatra ny roa tamin’ireto olona saika lasibatra ireto. Ireto voalaza fa olon-dratsy kosa dia avy namonjy tsena tao Mangidy tamin’io fotoana io. Raha vao nahita izany ny sasany tamin’ireo fokonolona dia niantso vonjy avy hatrany. Raikitra avy hatrany ny fifanenjahana tamin’ireto roalahy saika hanakana olona ireto ary tsy namelan’ireo mponina raha tratra izy roalahy. Efa nentin-katezerana mafy amin’ny afitsoky ny dahalo sy ny malaso any an-toerana ireo mponina ka tsy nisalasala nampihatra ny hatezerany tamin’izy ireo. Vono sy daroka no nifandimby. Namoy ny ainy vokatr’izay izy roalahy, raha ny vaovao hatrany. Efa tsy nisy azo natao intsony vao tonga teny amin’ilay toerana nisian’ity fitsaram-bahoaka ity ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Nandamina ny vahoaka sy naka ny vatana mangatsiaka an’ireto roalahy sisa azon’izy ireo natao. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava ny mahakasika ireo lehilahy roa nambaran’ireo mponina fa dahalo ireto. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny famotorana mahakasika ity raharaha ity.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici