- Publicité SW45 -
dimanche, mai 12, 2024
AccueilFaits-DiversIkalamavony : Fifandonana teo amin’ny Bara sy ny Antandroy - Olona iray...

Ikalamavony : Fifandonana teo amin’ny Bara sy ny Antandroy – Olona iray maty

Mandry tsy lavo loha ny mponina ao amin’ny distrikan’Ikalamavony. Etsy ankilany ny asan-dahalo miseho lany. Etsy andaniny anefa miverina mahazo laka ihany koa ny ady tany. Io no voalaza fa fototry ny olana teo amin’ny fifandonana eo amin’ny Bara sy Antandroy any an-toerana. Olana izay efa nanjaka efa fotoana maromaro izay, saingy mbola tsy nahitam-bahaolana mazava ka izao nitarika fahafatesan’olona izao. Raha zohiana ny zava-nitranga, ny alarobia 17 aogositra lasa teo, nisy zanaka Bara nandeha niantsena tao Ikalamavony. Rehefa voavidy daholo anefa ireo entana nilainy dia voalaza fa tsy namerim-bola ireo mpivarotra izay fantatra fa Tandroy. Tezitra noho izany ny havan’ilay mpividy ka nandeha niverina tany an-tsena nifamaly tamin’ireo mpivarotra. Velona ny tora-bato teo amin’ny roa tonta. Nametraka fitoriana fiandry teny anivon’ny zandary ny havan’ilay Bara ny mahakasika ny nanaovana ny zanak’izy ireo. Rehefa tafapetraka ny fitoriana fiandry dia nandrahona ireo Tandroy ireto farany fa ho avy hanafika azy ireo. Omaly maraina anefa ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena any an-toerana vao nahare ny fisian’izany fandrahonana sy savorovoro izany. Nandray an-tànana avy hatrany ny raharaha izy ireo ary niroso  tamin’ny fampihavanana ny roa tonta. Nilamindamin-drasty ihany ny raharaha teo. Nisy ampahany tamin’ireo fianakavian’ilay Bara anefa mbola tsy nilefitra ihany ka nandeha nanafika ireo Tandroy nananany ady. Marihina fa nirongo fitaovam-piadiana izy ireo nandritra izany fanafihana izany. Tao ny nitondra antsy sy lefona, nisy tamin’izy ireo ihany koa ny nirongo basy. Velona araka izany ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ka olona iray avy amin’ny ekipan’ireo mpivarotra no maty voatifitra. Namalifaty ihany koa ireto farany ka namely ny ankilany nahafaty. Vokany : olona iray hafa no naratra mafy ary ahiana mafy ny ainy. Voatery niditra nanelanelana ny ady teo amin’ny roa tonta ireo tompon’andraikitra ambony avy eo anivon’ny Distrika sy ny zandary any an-toerana. Hatreto izany, olona iray no maty ary olona iray miady mafy amin’ny fahafatesana vokatr’ity savorovoro any Ikalamavony ity. Andrasana ny mety ho tohin’ny raharaha.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici