- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversIkalamavony : Kamiô mpitati-bokatra efatra voatafika, olona iray maty voatifitra

Ikalamavony : Kamiô mpitati-bokatra efatra voatafika, olona iray maty voatifitra

Fiarabe mpitati-bokatra maromaro indray no lasibatry ny jiolahy mpanakan-dalana ny voalohandohan’ny herianandro teo, tany amin’iny faritra Ikalamavony iny. Vokany, olona iray no lavon’ny balan’ireo malaso ary entana sy vola an-tapitrisany maro no lasan’izy ireo. Teo amin’ny lalana mampitohy an’i Solila sy Ilakamavony no nitranga ity fanafihana ity, araka ny fampitam-baovao avy an-toerana. Efa tena sahy ireo olon-dratsy satria dia na efa maromaro aza ireto fiarabe ireto no niara-dalana dia mbola vitan’ireo olon-dratsy ihany ny nanafika azy. Manao andiany maro ireto farany tamin’izany, izay samy mirongo basy sy zava-maranitra. Toy ny fanaon’ireo olon-dratsy mpanakan-dalana dia sakana teo am-povoan-dalana no nataon’izy ireo, ary toa efa niandry kendry tohana ny fandalovan’ireo fiarabe mpitati-bokatra ireto. Tifitra variraraka avy hatrany no niantefa teny amin’ireto fiara ireto ary io nahavoa olona iray. Maty tsy tra-drano ity farany raha ny vaovao azo hatrany. Tsy afa-nanoatra noho izany intsony ireto olona tao anatin’ireto fiarabe ireto ary dia nanao izay danin’ny kibony ireo olon-dratsy. Naka izay entana sarobidy zakan’izy ireo sy izay vola tany amin’ireo olona tao anaty kamiô. Nitsoaka izy ireo rehefa azony izay nilainy. Taorin’izay kosa vao afaka niantso vonjy sy nampandre ny zandary tany an-toerana ireo voatafika. Raha ny fantatra moa dia “poste avancé” ao Solila no miandraikitra ny raharaha. Tamin’io andro io ihany moa dia efa nandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy sy ny fanangonam-baovao.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici