- Publicité -
vendredi, septembre 11, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIkianja : « Adjudant chef » sandoka milaza mahatafiditra miasa ao amin’ny prezidansa

Ikianja : « Adjudant chef » sandoka milaza mahatafiditra miasa ao amin’ny prezidansa

Vola efa manodidina ny roa tapitrisa ariary latsaka no efa azon’ity mpisoloky tamin’ny olona iray teny amin’iny faritra Ikianja Ambohimangakely iny. Raha ny fanazavana azo dia misandoka ho mpitandro filaminana mitondra ny gradin’ny « adjudant chef » ranamana amin’izany. Izany no entina misoloky ireo olona lasibatra. Tsy vitan’izay anefa fa mbola milaza ho mahatafaditra olona hiasa amin’ny prezidansa ny anao lahy. Mazava ho azy, hain’ity farany tokoa ny mandresy lahatra ireo olona  izay resahany amin’izany. Ny mampalahelo dia misy tokoa ireo roboka, ary rafitra manome vola matetika tokoa. Efa nahatratra tany amin’iny 1,840,000 ariary tany ho any no azony tamin’ny olona iray, izay efa nampanantenainy fa hahazo ny asa, ho sekretera eo anivon’ny prezidansa. Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia voarirarira teny foana ity olona ity. Nony ela dia tonga saina ny amin’ny fisolokiana nahazo azy ka nanapa-kevitra ny hametraka fitoriana teny anivon’ny zandary. Rehefa natao ny fanadihadiana, hoy fanazavana teo anivon’ny tobim-paritra Ambohimangakely, dia tra-tehaka teo Ambovonkely ny lehilahy iray tompon’antoka tamin’izany. Nentina natao famtorana ity farany ary natolotra ny Fampanaovana ny zoma lasa teo ihany koa.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici