Tokony ho tamin’ny 12 ora latsaka fahefany tany ho any no nampakarin’ny mpamonjy avy tao anaty ranon’Ikopa ny vatana mangatsiakan’ity tovolahy iray, manodidina ny 17 taona any ho any. Araka ny ny filazan’ireo manodidina teny an-toerana, dia nilomano teo izy io niaraka tamin’ny namany. Tsy fantatra anefa izay nahazo azy, fa nilentika ary tsy nipoitra intsony nony avy teo. Dia izao vatana mangatsiaka izao no nampakarina tany. Teo ampitan’ny toby fiantsonan’ny « taxi-brousse » tetsy Andohatapenaka no nitrangan’ity loza ity, omaly alahady. Ny angom-baovao azo teny an-toerana no nahafantarana, fa avy nilalao baolina izy sy ny namany telo lahy. Mazava ho azy noho ny andro mafana dia nanapa-kevitra ny hisaika kely sy ny hilomano izy ireo, tsy lavitra an’ireo mpanasa lamba. Tokony ho tamin’ny folo ora mahery tany ho any anefa, raha ny vaovao hatrany dia nihiakiaka niantso vonjy ilay tovolahy tao anaty rano. Noheverin’ireo namany sy ireo olona nanatrika teo, fa nihanihany anefa ka tsy dia nisy niraharaha firy. Efa nilentika ary tsy nipoitra fotoana elaela vao taitra avokoa ny rehetra. Nantsoina avy hatrany ireo mpamonjy voina, izay tonga haingana teny an-toerana. Hita teny an-toerana ny pôlisy misahana iny faritra iny, avy ao amin’ny kaomisarin’ny boriborintany fahafito. Antsak’adiny mahery teo ho eo nikarohana ilay tovolahy tao anaty rano. Vatana efa nilaozan’ny aina tanteraka no nampakarina avy tany. Nandeha rà ihany koa ny orony, raha ny hita. Marihana, fa tovolahy mipetraka eny amin’iny faritra Ankasina iny ity maty an-drano ity. Nomena ny fianakaviany izay tonga teny an-toerana moa ny razana taorian’ny fitsirihana azy.
m.L