Tokony ho tamin’ny iray ora maraina omaly no nigadona tao an-tranon’ny sekretera jeneralin’ny minisitera iray, tetsy Ankadikely-Ilafy ny jiolahy. Nihanika ny tamboho ireo olon-dratsy. Valo lahy no tompon’antoka ary nitondra basy telo, raha araka vaovao izay nohamarinina tamin’ny mpitandro ny filaminana, basy lava roa sy poleta iray. Vao tafiditra tao an-tokotany izy ireo dia nidaroka ny mpiambina. Rehefa voafehy io farany dia niditra an-keriny tao anatin’ilay trano fonenana tamin’izay. Norahonana tamin’ny fitaovam-piadiana ny iray trano ka tsy nanan-tsafidy noho ny hery tsy mitovy, hany ka tsy maintsy nanaraka ny baikon’ny jiolahy. Tsy nisy intsony ny herisetra rehefa tao an-trano satria tsy namaly ny olona. Vola mitentina dimy tapitrisa ariary izay notehirizina tao an-trano no lasan’ireo olon-dratsy. Ny entana indray dia ny finday rehetra izay tazan’ireo tao no nalaina. Vita izay rehetra izay dia rifatra nitsoaka niala ny tanàna ny olon-dratsy ary nanjavona tao anatin’ny haizim-pito. Teo vao samy niezaka niantso ny mpitandro ny filaminana ary koa nanavotra ilay mpiambina izay naratra mafy vokatry ny daroka. Mirongatra hatrany ny fanafihana amin’ny alina ary indrindra fa ho an’ireo tanàna mihataka kely an’andrenivohitra. Mila manamafy ny fisafoana ny tompon’andraikitry ny filaminana satria mitady hahazo vahana ny jiolahy.
D.R