Tsy mitsaha-mihitatra ny sain’ny olona amin’ny fomba hangalarana tany eto an-drenivohitra. tamin’ity indray mitoraka ity dia ny sonian’ny mpiraki-draharaha iray ao amin’ny fitsaràna no nampiasain’ny lehilahy iray 43 taona. Nampiasainy tamin’ny taratasy maromaro izay hosoka ihany koa mazava hoazy. Izany dia mba hangalarana tanin’olona. Nampiasainy ihany koa ny « reçu » tsy mitombina izay nolazainy fa avy ao amin’ny tribonaly. Tonga teny amin’ny tomponandraikitry ny fitsaràna ny momba ity lehilahy ity, ary dia nisy ny fanadihadiana nasaina nosokafan’ny polisy misahana ny heloka bevava. Natao ny fisamborana azy rehefa hita fa mivezivezy eny Mandrosoa-Ilafy. Rehefa nandeha ny fanamarinana rehetra ary nandritr’izany no nahafantarana fa olona efa manana raharaha ao amin’ny sampana misahana ny heloka bevava ao amin’ny polisy koa ilay rangahy. Lasa raharaha roa avy hatrany no nanenjehana azy izany nanomboka teo. Natolotra ny fampanoavana omaly ny tenany. Mirongatra ny fampiasàna hosoka amin’ny famarotana tany na koa fangalarana tany ary tototra dosie momba izany ny fitsaràna malagasy. Marobe ny endrika hisehoany fa ny tena matetika dia ny hosoka amin’ny taratasim-panjakana. Eo koa ireo halatra tanim-panjakana izay ny fitsaràna no manapaka an’izany farany ary io no misy manao hosoka. Ny fanafodiny dia ny fanamarinana tanteraka ny taratasy misy izany.
D.R