- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversIlaivola Ivato : Nofatorana ny mpiambina, nodarohana ny tompon-trano, lasa ny 4X4

Ilaivola Ivato : Nofatorana ny mpiambina, nodarohana ny tompon-trano, lasa ny 4X4

Ilay fiaran’ny tompon-trano, nentin’ireo olon-dratsy nitsoaka.

Tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany tany ho any, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo ihany koa dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tokantrano iray tao Ilaivola, kaominina Ivato, distrika Ambohidratrimo. Na dia nisy mpiambina aza ity tanana ity dia tsy nisalasala akory ireo olon-dratsy niditra an-keriny tao. Nanao ny asa ratsiny ary nitsoaka toy tsy teo nony avy eo, rehefa avy nahazo ny zavatra nilainy. Ankoatry ny vola sy ireo zavatra sarobidy dia mbola nentin’izy ireo nitsoaka ihany koa ny fiaran’ny tompon-trano. Fiara tsy mataho-dalana nijanona teo an-tokontany.

Tanana izay teran-tany vahiny no tompony, ity niharan’ny fanafihana ity, raha ny fanazavana azo. Tamin’io alina io dia nihanika tamboho ireo mpanafika, ary avy hatrany dia ny mpiambiny izany no nezahin’izy ireo nofehezina tao anatin’ny fotoana vitsy. Nambanan’izy ireo tamin’ny antsy ity mpiambina ity, izay tsy afa-nikofoka akory. Nofataron’izy ireo tsy hihetsika intsony ihany koa taorian’izay. Vantany vao voafehy ny mpiambina dia niakatra avy hatrany tao amin’ny efitrano nisy ny tompon-trano ireo olon-dratsy. Ankevitry ny nisy “fifandresen-dahatra” mahery vaika tao, satria dia naratradratra, niharan’ny vono sy daroka ilay teran-tany vahiny tompon-trano, izay, nony niafarany dia nilefitra sy nanaiky izay rehetra notakian’ireo olon-dratsy. Vola mitentina eo amin’ny 3000 euros (manodidina ny 20 tapitrisa ariary tany ho any) no lasa, niaraka tamin’ireo firavaka sarabidy isan-karazany tao an-trano. Mbola nitaky ny lakilen’ny fiaran’ny tompon-trano ihany koa moa ireto farany ary nitsoaka niaraka tamin’izay.

Efa tokony ho adin’ny telo taty aorian’ny fanafihana, raha ny fampitam-baovao azo vao nisy nampandre ny zandary mifehy izany faritra izany. Nidina avy hatrany teny an-toerana moa ireto farany, saingy ilay mpiambina nifatotra sy ilay rangahy tompon-trano naratra no hany sisa hita. Ity farany izay nezahina nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Tamin’io fotoana io ihany moa dia efa natao ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireo olon-dratsy. Nisy mihitsy ny fampiasàna alika mpitsongo-dia, hanaovana hazalambo ireo mpanafika. Mbola nitohy hatramin’ny omaly moa izany fikarohana izany. Efa nisokatra kosa ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity, izay hiandraketan’ny zana-tobim-paritry ny zandary ao Ankadindravola.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici