- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversIlakaka : Ambenana amin’ny « lance-roquette» ny tanàna

Ilakaka : Ambenana amin’ny « lance-roquette» ny tanàna

Mifamezivezy ny mpitandro  filaminana, nanomboka omaly ary nampiana isa aza. Izany dia vokatry ny fandrahonan’ny andian-dahalo hanafika ny tanàna efa ho roa andro lasa izay. Raha ny resaka mandeha ao an-toerana, dia efa mihaodihady any amin’ny fito kilaometatra miala ny tanàna ireo mpanafika ary efa nampilaza ( lasa fanaon’ny dahalo rehefa hanafika) izy ireo ny amin’ny hiaviany. Olona monina eo amin’ny manodidina an’Ilakaka ary manana omby any amin’ny 1200  any no tena tian’izy ireo hatao lasibatra. Saingy rehefa nandamoka, dia ny tanàna indray no tetehiny hotafihana. Nandray fepetra avy hatrany ny zandary misahana ny fiarovana ny toerana  sady nampiana isa izy ireo no nampiasa fitaovana enti-miady. Ankoatra ny basy mantsy, dia anisan’ny hita teny amin’ny fiara nitaterana ny fitaovam-piadiana ny « lance roquette ». Raha ny fitantaran’ny mponina ao an-toerana, dia niteraka savorovoro ho azy ireo ity filazan’ny dahalo fa hanafika ity. « Nisy ny niala tao an-tranony ary nandeha namonjy tany am-piangonana, nisy ihany koa ny niditra tany anaty lavaka fitrandrahana vato sarobidy ary nisy ny nibata entana mba hiala ao an-tanàna » raha araka ny loharanom-baovao mitovy. Omaly hariva, dia nandeha ny feo fa efa manomboka mirefotra ny basy ao an-tanàna. Tsy nohamarinin’ny mponina ao an-toerana izay azo tamin’ny antso an-telefaona izany aloha hatramin’ny nanoratanay.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici