- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversIlakaka : Mpandraharaha voatifitra sy voatsindrona antsy

Ilakaka : Mpandraharaha voatifitra sy voatsindrona antsy

Nitangorona teo anoloan’ny tobin’ny zandary ny olona hijery ilay jiolahy voasambotra.

Izy namonjy fodiana ary efa teo anoloan’ny vavahadin’ny tranony no nisy nitifitra. Tsy vitan’izany aza fa mbola nampiana tsindrona antsy iray teo amin’ny lamosiny koa. Maty tsy tsa-drano araka izany ilay rangahy mpandraharaha amin’ny sehatry ny vato sarobidy. Raha araka ny vaovao avy any an-toerana dia lasa avokoa ny vola teny aminy, ny vato sarobidy ary tsy vitan’izany aza fa mbola nalain’ny jiolahy koa ny basy fiarovan-tenany. Azo heverina araka izany fa jiolahy efa tena manana traikefa amin’ny fanafihana sy famonoana olona ny nanatontosa ity heloka bevava ity. Tao anatin’ny fotoana fohy monja dia vitan’ireo izany ary olona efa nitsirara tamin’ny tany sy nihosin-drà no sisa hita. Noezahina navotana ihany saingy tsy tàna intsony ny ainy. Tanàna kely Andohanilakaka saingy kosa isan’ny tena atahorana ny tsy fandriam-pahalemana ao anatiny. Misy vola, vato sarobidy mivezivezy mantsy ary koa betsaka ny olona manana fitaovam-piadiana. Tsy fanendahana no misesy any fa ny fanafihana, izay rehefa misy dia miantraika aman’aina hatrany matetika.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici