- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIlakaka : Mpividy safira voatafika, lasa ny vola 7 tapitrisa Ariary

Ilakaka : Mpividy safira voatafika, lasa ny vola 7 tapitrisa Ariary

Tetika maty paika. Mpividy safira iray avy any ambanivohitra nandeha moto hihazo ny tanànan’ Ilakaka no notafihana dimilahy nitondra basim-borona roa teny an-dalana, afakomaly misandratr’andro. Lasan’ny jiolahy tamin’izany ny vola fito tapitrisa ariary niampy finday roa teny aminy. Raha ny vaovao voaray dia handeha haka fiara ao Ilakaka tampon-tanàna handeha hamonjy fahoriana any amin’ny faritra Androy, tany fiaviany, ity mpibizina vatosoa sarobidy ity no voaroba. Tsy nitifitra ireo jiolahy fa rehefa azony ny rembiny dia iny izy ireo no tsy hita. Ny tany koa an-kodahoda tsy azo niantsoana vonjy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici