- Publicité -
mardi, septembre 1, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversImerinkasinina : Nahafaty mpilalao fiara indray

Imerinkasinina : Nahafaty mpilalao fiara indray

Ny alin’ny alahady no niseho ny lozam-pifamoivoizana. Eo amin’ny fiolànana izay mamasimpasika ary mampisosa fiara na kodiaran-droa saika isan-kerinandro no mbola nisy tranga nahafaty olona indray. « Avy nijery ny fifaninana hafainganam-pandeha (course de côte) teo Imerinkasinina izay notontosaina ny alahady teo i Billy. Nitondra fiara matanjaka Subaru izy no nisosa ary nivadika » raha araka ny fanazavàn’ny olona akaiky azy eo anivon’ny fiankaviam-ben’ny hazakazaka fiarakodia. Potipotika ny fiara ary noezahina navotàna teny amin’ny toeram-pitsaboana izy iny alin’ny alahady iny. Omaly maraina dia fantatra fa tsy tàna ny ainy. Niparitaka haingana tamin’ny tambajotra ny fahalasan’i Billy ary teo koa anefa dia nifangaro ny vaovao. Lasa marobe ny olona no nieritreritra fa tao anatin’ilay fifaninanana « course de côte » no nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana izay nahafaty azy. Nandeha arak’izany ny fanakianana rehetra toa ny hoe tsy manara-penitra io lalao io. Rehefa nohamarinina anefa dia ivelan’ny lalao tanteraka no niseho ny lozam-pifamoivoizana izay nampivadika ilay Subaru fotsifotsy. Na izany aza dia hita ho betsaka ny loza mitranga amin’iny làlana Imerinkasinina iny. Betsaka ny mpisetrasetra no mahita faisana eo, na kodiaran-droa izany na fiara. Lasa ambana ihany koa ho an’ny olona mipetraka eo amin’ny manodidina satria lasa mampahotra ny mandeha eny amin’ny làlana noho io antony io, indrindra rehefa faran’ny herinandro izay toa lasa toerana fanaovana « pointe » ilay hany làlana mba isan’ny tsara tavela. Mila manamafy ny fanaraha-maso ny tompon’andraikitra mba ho fiarovana ny ain’ny olona. Be loatra ny rà mandriaka eny an-toerana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici