- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversImerintsiatosika : Dahalo saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Imerintsiatosika : Dahalo saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Mpangalatra omby efa-dahy no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka, tany Ambohimandry, Imeritsiatosika ny herinandro teo. Soa ihany fa tonga hainga ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny avy, nandamina ireo fokonolona ary nitondra ireo dahalo niala teo amin’izy ireo. Raha ny fanazavana azo dia nisehoana halatra omby tany Mahatsinjo Arivonimamo. Omby roa no lasan’ireo dahalo. Nafenin’izy ireo tanaty hadivory tsy lavitry ny tanan’Ambohimandry izany omby izany. Tsikaritr’ireo olona teny an-toerana anefa fa hafahafa ny fihetsik’ilay mpiandry omby ka dia nampandre avy hatrany ny fokonolona tany an-tanana izy ireo. Nanaraka ihany koa ireo tomponandraikitry ny filaminana, izay nanao ny fanadihadiana avy hatrany. Tamin’izany no nahafantarana fa omby nangalarina tokoa izy ireo. Nentina nanaovana famotorana io rangahy io, ary tamin’izany no nanondrony ireo namany, telolahy. Nosamborina avy hatrany ireto farany. Niparitaka ny vaovao, fa hoe misy dahalo voasambotra ka vory lanona ireo mponina saika hanao fitsaram-bahoaka azy ireo. Fantatra moa fa mbola misy naman’izy ireo miriaria any, ary efa eo am-pikarohana izany ireo zandary any an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici