mercredi, avril 23, 2025
AccueilFaits-DiversImerintsiatosika : Efa-dahy tratra am-bodin-kisoa

Imerintsiatosika : Efa-dahy tratra am-bodin-kisoa

Raha ny resaka halatra omby no re hatraiza hatraiza, ny resaka halatra kisoa indray no voalazan’ireo mponina fa miha-mirongatra any amin’iny faritra Imerintsiatosika iny ary isan’ny mampikaikaika ireo mpiompy. Nanao ho vaindohan-draharaha izany tranga izany ny zandary tany an-toerana. Ka tamin’ny alalan’ny angom-baovao azon’izy ireo no nahafantarana fa misy olona mampiahiahy ho mpangalatra kisoa tao amin’ny tokatrano iray tao Ambodisaha, ao amin’ny kaominina Imeritsiatosika. Nanao bemidina avy hatrany teny an-toerana ny zandary, ny voalohan’ny herinandro lasa teo ka indreo eo tokoa telolahy somokitra dia somokitra eo am-pandrasana kisoa vositra miisa roa efa maty. Mazava ho azy fa tsy afaka nanazava ny niavian’ireto biby fiompy lafo vidy ireto izy ireo ary nibaradaka ihany nony farany fa biby halatra izy ireo. Tany amin’ny fokontany Beronono no nalain’izy ireo izany kisoa izany ary nokarakaraina tao an-toerana, alohan’ny hanaterana azy ao amin’ny olona mpandray izany, izay tsy iza fa mpivaro-kena ao an-tsenan’Imeritsiatosika ihany ary tompon’ny trano nikarakarana ireto biby ireto mba ho hivadika ho hena.  

Rehefa nandeha teo moa ny famotorana dia nambaran’ireto mpangala-kisoa ireto fa isan’ireo mpiray petsapetsa amin’izy ireo ihany ity tompon-trano ity. Izy telolahy no mpanao ny « opération » ary ingahirainy mivarotra ny hena. Mazava ho azy fa notongavana tao an-tsenany ihany koa ingahy ary nosamborina soa aman-tsara. Efa samy natolotra ny Fampanoavana avokoa moa izy ireo ka samy nadoboka am-ponja vonjimaika avokoa, miandry ny fotoam-pitsaràna.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici