- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversImerintsiatosika : Lasan’ny jiolahy ny vola 3 tapitrisa ariary an’ny mpandraharaha

Imerintsiatosika : Lasan’ny jiolahy ny vola 3 tapitrisa ariary an’ny mpandraharaha

Omaly vao maraim-be, notafihan-jiolahy ny tranona mpandraharaha iray, mpanangom-bokatra tany Maromena Imerintsiatosika. Lasa tamin’izany ny vola 3 tapitrisa ariary mahery. Ankoatra ireo ny fakana izay entana sarobidy toy ny vata fahitalavitra sy finday. Araka ny fitantarana voaray, nitondra fitaovam-piadiana toy ny basim-borona izy ireo ary niditra an-keriny tao an-tranon’ilay mpandraharaha. Raikitra ny fandrahonana sy ny fitakiana ny volabe. Efa toy ny mahafantatra ny fisian’ny vola ireto olon-dratsy. Teo anoloan’ny fitaovam-piadiana sy ny fandrahonana, nipotsaka ny vola an-tapitrisany. Soa ihany fa tsy namono ireto jiolahy efa lian-drà. Tao anatin’ny fotoana fohy izany rehetra izany, ary nitsoaka ireo avy eo. Niantso vonjy ny niharam-boina, ka tonga tany an-toerana ny mpitandro filaminana. Nanokatra ny fanadihadiana ny zandary avy ao Imerintsiatosika. Mandeha araka izany ny fikarohana ireo olon-dratsy. Tsy mbola nisy voasambotra aloha hatreto.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici