Mangetaheta fiovàna ny vahoaka ao amin’ny faritra Itasy, indrindra fa ireo ao Imeritsiatosika iny. Tanteraka ara-bakiteny tokoa mantsy io noho ny olan’ny rano any an-toerana ka izany indrindra no namalin’ny Governoran’ny faritra Itasy, nidina ifotony teny an-toerana nanala izay hetaheta nahazo azy ireo izay. Paompy eletrika miisa efatra no natolotra ny vahoaka, hanampiana ny tosiky ny tanjaky ny rano fisotro ao an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. « Ny Faritra Itasy dia tsy maintsy midina ifotony mijery ny olan’ny vahoaka ao anatin’ny faritra » hoy ny kabarin’Andriamatoa Governoran’Itasy nandritry ny fanolorana ireto paompy ireto. Tsy misy andraso andraso fa nanome baiko avy hatrany ity tompon’andraikitra ity ny hampiasàna ireo fitaovana vaovao ireo. Nanisy teny ihany koa izy ny amin’ny fitantanana ny rano, mba tsy ho tombotsoan’olom-bitsy no aterak’izany fa mba ho an’ny vahoaka iray manontolo.
Fa tsy ny rano ihany akory no nitondra vahaolana fa teo ihany koa ny lafin’ny fandriampahalemana. Notoloran’ny faritra Itasy milina fanoratana ihany koa mantsy ny tobin’ny zandary ao Ampahimanga, distrika Arivonimamo. Izany dia mba hanamora kokoa ny asan’izy ireo. « Efa nisy ny paikady napetraka
niaraka tamin’ireo tomponandraikitry ny fandriampahalemana rehetra aty
Itasy hampandriana fahalemana ny faritra hiadanan’ny vahoaka mba hanao
ny asa fampandrosoana am-pilaminana » hoy izy.
nangonin’i m.L