
Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ireo mpivarotra ao amin’ny “Infinity Team”, manoloana ny fanenjehana ara-pitsarana mahazo ny sasany amin’izy ireo. Araka ny fanazavan’ireo mpiasa, olona 11 no efa naiditra am-ponja ao Marofoto, raha mbola misy hafa ihany koa voalaza fa nosamborina sy iharan’ny fandrahonana. Manodidina ny 7 000 ny isan’ireo olona milaza fa miantsehatra amin’ity asa ity eto Madagasikara. Nohamafisin’izy ireo fa varotra ara-dalàna no ataon’izy ireo ary nolavin’izy ireo ny fiampangana miely momba ny fisolokiana sy ny famotsiam-bola. Araka ny fanazavan’ireo mpiasa, ny “Infinity Team” dia mpaninjara eto Madagasikara ny vokatra avy amin’ny orinasa “QNET”, izay lazain’izy ireo fa any Malaizia no misy azy. Nambaran’izy ireo fa varotra toy ny varotra rehetra no ataon’izy ireo ary tsy misy fanerena ny olona hiditra amin’ity sehatra ity. Naneho tamin’ny mpanao gazety ihany koa ireo mpiasa ny antontan-taratasy sy fahazoan-dalana lazain’izy ireo fa manamarina ny maha ara-dalàna ny asany. “Tsy mahatsapa izahay hoe voasoloky”, hoy izy ireo, sady nanambara fa maniry ny hahafahan’ity sehatra ity mivelatra manerana an’i Madagasikara. Ny fahasarotan’ny fitadiavana asa, hoy hatrany izy ireo, no anisan’ny antony mahatonga olona maro hiditra amin’ity sehatra ity. Mangataka amin’ny tompon’andraikitra araka izany izy ireo mba hijery ny raharaha ary hamela ireo izay milaza fa miasa ara-dalàna hanohy ny asany am-pilaminana. Mbola miandry ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra misahana ny fanadihadiana kosa ny tena zava-misy momba ireo fiampangana mahazo ny orinasa sy ireo olona voakasika.
Yv Sam



