- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversIreo efa-dahy matin’ny FP : Nisy naka ny faty efatra, iray kosa...

Ireo efa-dahy matin’ny FP : Nisy naka ny faty efatra, iray kosa nalevin’ny kaominina

Tsy niandry ela fa ny harivan’ny nahavoatifitra azy noho ny saika fanafihana nataon’izy ireo harakin’ny FIP, ka raikitra ny fifampitifirana; dia efa nalain’ny havany ny fatin’ny Telolahy Félix izay adjida teo anivon’ny tafika Malagasy ao amin’ny sampan R3A Ambalamanasy. Raha ny fantatra nentina nalevina tany Andekaleka ny tenany. Nentina tany Mananara avaratra kosa ingahy Jojo Besidy, ary tany Vatomandry kosa ingahy Trangy Julio Vicent. Ny fahaefatra tamin’izy ireo dia ny kaominina no voatery nandevita azy teto Toamasina.

Samy manana ny tantarany amin’ny fanaovana fanafihana avy izy telo lahy nalain’ny fianakaviany ireo. Ho an’ity dia efa fantatro fa jiolahy efa ela ny zokiko, saingy rahalahin’ny tena dia tsy maintsy entina an-tanindrazana, na ny tenako aza efa nangalarany entana sarobidy, hoy ny rahalahiny tamin’ny mpanao gazety. Raha ny momba ny Jojo Besidy kosa dia mpandraharaha ao Mananara avaratra ny tenany ka hainy avokoa ireo mpandraharaha ao ao an-toerana sy Maroantsetra ay Sainte Marie; izy ny mpanome vaovao sy toromarika momba ireo mpandraharaha izay haka vola sy hanatitra izany eto Toamasina. Araka ny loharanom-baovao azon’izy ireo ny 12 avril io dia hisy mpandraharaha iray handalo ny lalana eo anoloan’ny fasam-bahiny sy tsangambaton’ny maherifo 29 martsa, ka vola 200 tapitrisa ariary izany vola saika lasan’izy ireo tamin’izay.

Efa mpanao fanafihana mitam-piadiana ilay miaramila maty Telohaly Félix, ary ampiasainy amin’izany ny fitaovam-panjakana amin’ny fitaovam-piadiana. Efa nanafika magazay iray tao Amplaolava ny tenany ka tratra ny velam-pandriky ny polisy ny 12 novambra 2018, ary nialoha izany ny tao Ambohijafy ny 02 novambra 2018 ihany izay mpamongady fahana tambanjotra sy mpanao ireny fanakalozam-bola ireny no lasibatra tamin’izay. Voaroba tamin’izany moto iray sy fahana 03 tapitrisa ariary ary lelavola 04 tapitrisa ariary. Tsy tratra moa izy tamin’izay fa nanao tari-dositra nihazo ny toby misy azy R3A Ambalamanasy.

Raha ny fantatra dia tsy sambany nanao fanafihana ity miramila ity saingy ny “protocole d’accord” eo samy mpitandro ny filaminana dia tsy mahazo manao fanadiadiana miaramila ny polisy fa tsy maintsy manolotra izany ny zandarimariam-pirenena; ka teo no niavian’ny olana izay nahavotsotra tamin’izany ity miaramila mpanao fanafihana mitam-piadiana ity.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici