- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversIsandra : Fiara nitondra mpitety tsena voatafika

Isandra : Fiara nitondra mpitety tsena voatafika

Na dia eo aza ny fampandrian-tany ataon’ny mpitandro filaminana any amin’ny distrikan’ Isandra, faritra Matsiatra Ambony, dia mbola manohy ny asa ratsiny hatrany ireo dahalo. Ny misasak’alin’ny 20 mey teo, fiara lehibe iray nitondra mpitety tsena no notafihan’ny andian-dahalo tanora mitam-piadiana izay nanakan-dalana tao Ambalavao, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambalamidera. Rehefa voasakana tsy afa-nandeha intsony ilay fiara, dia noteren’ireo dahalo samy handoa vola dimy alina ariary avy ny mpivaro-mandeha rehetra tao anatin’ny fiara. Raha ny vaovao voaray, dia ireo zaza tsy ampy taona nitam-basy tamin’ireo dahalo mpanakan-dalana no nanao ny tery vaimanta.Tsy nisy moa ny naratra sy poa-basy tamin’ ity fanafihana ity.

Eric Manitrisa

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici